Vakinankaratra
Célébration régionale de la journée de la femme : Femme en action

Ambohibary :
Le 08 mars 2011, l’épouse du Chef de Région, Noro Razanakolona, accompagnée des femmes responsables  et des associations féminine de la Région Vakinankaratra on planté 100 pieds d’oranges et de mandarines clémentine au nouveau Lycée d’Ambohibary pour marquer la Journée Mondiale de la femme. En ce jour même, elles ont visité la maternité du CSB II d’Ambohibary en offrant de l’argent et de couverture pour les mamans des nouveaux nés.
Ambalakisoa :
La grande famille du Fokontany d’Ambalakisoa dirigé par son Chef Fokontany assisté

 

Faritra Vakinakaratra
Andron’ny vehivavy : fambolena hazo fihinam-boa sy fanolorana bodofotsy no hetsika
 
.

Tsy navelan’ireo Andriambavilanitry ny faritra Vakinakaratra handalo fotsiny ny andron’ny 08 marsa 2011, fambolena hazo fihainam-boa, sy voninkazo ho haingon’ny lycée vaovao tao Ambohibary no hetsika notarihin’ny vadin’ny lehiben’ny faritra Noro RAZANAKOLONA, nitohy tamin’ny fizarana bodofotsy ho an’ireo tera-bao tao amin’ny CSB II tao Ambohibary ny fotoana.
Nosafidiana manokana ny commune Ambohibary nanamarihana izao andron’ny vehivavy izao hoy ny vadin’ny lehiben’ny faritra satria ny fametrahana ny lycée vaovao dia mitaky fametrahana zava-maniry sy ho haingon’ny sekoly mba ahafinaritra ireo taranaka mandranto fianarana ao. Adidin’ny reny sy ny vehivavy rahateo izany fanatsarana sy fanaingoana izany.
Ankoatr’izany ny fampitoviana ny andriambavilanintra eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy renivohitra, ka tsy diso anjara ho amin’ny fanamarihana ny eny ambanivohitra.

Raha ny fambolen-kazo toy ny kesika sy ny kininina matetika no mahazatra ny maro dia niavaka ny hazo novolen’ireto Andriambavilanitra ireto satria dia   zanaka voasary orange sy mandarine izay efa tena manara-penitra tokoa satria herintaona monja dia mamoaka voaniny ireto karazam-boasary ireto. Rehefa vita ny asa tao Ambohibary dia nifamotoana tao @ Restaurant Razafimamonjy tao Antsirabe ireto vehivavy tompon’andraikitra   notarihin’ny  Vadin’ny lehiben’ny
faritra ireto ka nifampizara ny nofon-kena mitam-pihavanana.

Ambalakisoa: Niara-nihetsika ny vehivavy sy ny lehilahy

« Lehilahy sy vehivavy miara-mientana hatrany ifotony ho
famapandrosoana ny sosialim-bahoaka »  tsy namela irery ny vehivavy ny
lehilahy noho io teny fanentanana io fa nisy ny hetsika niarahan’ny
lehilahy  nisalahy tamin’ireo vehivavy. Asam-pokonolona,
fanamboaran-dalana tao amin’ny fokontany Ambalakisoa-Bemasoandro no
nataon’ireo vehivavy tao amin’ny fokontany nasain’izy ireo manokana no
nofinidin’izy ireo natao tamin’izany ka nanotrona sy nandray anjara
tamin’izany ny  lehiben’ny faritra RAZANAKOLONA PAUL.

 


Unité de communication région Vakinankaratra (08 mars 2011)

 
ACCUEIL

 Tous droits réservés. Aucune partie de la présente publication ne peut être produite, mise en mémoire ou transmise sous aucune forme ni par aucun moyen,
électronique ou mécanique, par photocopie, enregistrement, ou de toute autre façon, sans l’autorisation préalable de la Région Vakinankaratra         
 WebDesigner et Maquette : RASOLOFOSON Fidy Manantsoa.- Septembre 2005 /Renouv : Juillet 2008 / Refonte : Septembre 2009 par
RASOLOFOSON Fidy Manantsoa
 Conception Page web et Webmaster : RASOLOFOSON Fidy Manantsoa - inforozy@yahoo.fr