Vakinankaratra
Basket U22 : Prêt pour le Tournoi National
Le 17 mars s’approche, plus l’équipe est prête pour le championnat national U22. Selon le calendrier de la fédération nationale du Basket Ball, les régions groupés dans la même poule Vakinankaratra, Menabe et Analamanga seront rencontrés à Antsirabe le 17 au 20 Mars 2011.
L’infrastructure bâtie par le chef de région Paul RAZANAKOLONA , il s’agit du terrain de basket a été entretenu pour accueillir les match programmés.
Fanatanjahantena :
Basket : Vonona tanteraka ny U22 Vakinankaratra
.
Ao anatin’ny fampivondronana tanteraka ny ekipa mandrafitra ny faritra vakinankaratra zazalahy sy zazavavy ankehitriny.Efa fotoana maro no nifantenana sy nanakambanana ireo kalaza @ ity taranja ity eto anivon’ny faritra, ary efa hita taratra izany amin’ny fiarahan’izy ireo eny ambonin’ny kianja. Ankoatran’ny fanazarana homen’ny mpanazatra, efa nandranto lalao tany amin’ny fartra hafa ireto ekipa zazalahy sy zazavavy ireto ka nibata fandresena hatrany, nisy ny fandehanana tany miarinarivo nisy ihany koa ny tany Ambositra.
Vonona ny fotodrafitr’asan’ny faritra
Raha ny fanatanjahan-tena no ambara dia tsy manao ambanin-javatra izany ny lehiben’ny faritra Vakinakaratra Razanakolona paul, porofon’izany ny fananganan’ity farany ny kianja filalaovana basket eo antokotanin’ny biraon’ny faritra.
Eo amin’ity kianja ity rahateo no hanatanterahana ny fifanintsanana dingana voalohany eo amin’ny Analamanga, Menabe ary Vakinankaratra. Ny alakamisy 17 martsa no hanomboka izany fihaonana izany amin’ny alalan’ny dinik’asa tarihin’ny ao anivon’ny federasiona ary eny ankiaja kosa no hamaritra ny fahaiza-manaony ny ekipa 3 tonta ny 18 hatramin’ny 21 Martsa 2011.
Tsara ny manamarika fa hatrany amin’ny fifantenana ireo handrafitra ny ekipa ka hatramin’izao hiatrehana ny fifanintsanana izao dia ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra hatrany ny niahy akaiky ireto U22 an’ny faritra ireto.

Unité de communication région Vakinankaratra (15 mars 2011)