Kaominina telo ao amin’ny ilany antsinanan’ i Vakinankaratra no hahazo tombony eo amin’ny lafiny fitsaboana nohon’ny fiarahamiasan’ny faritra vakinankaratra amin’ny association armada.
20 juin 2011 Tao aorian’ny dian’ireo delegasiona avy eto amin’ny Faritra Vakinankaratranotarihan’ny lehiben’ny faritra Paul RAZANAKOLONA tany Auvergne France dia hanomboka hioty ny voandalana isika eto Vakinankaratra amin’izao . Fantatra mantsy izao fa hanomboka ny volana Octobra amin’ity taona 2011 ity dia ho avy hiasa aty Vakinankaratra ireo Dokotera 15 ka hatramin’ny 20 avy amin’ny Association ARMADA. Kaominina telo dia Ambohitompoina , Antsmpandrano, ary Antanambao antsinanana no hisantatra izany.Ho an’ny Kaominina Ambohitompoina dia nosafidiana manokana ny FKT Anjamanga 13 km andrefan’Ambohitompoina noho izy manana CSBII saingy tsy misy Mpitsabo.
Hanarapenitra ny fitsaboana araka izany satria ireto mpitsabo ireto dia efa hiaraka amin’ny fitaovana harifomba sy fanafody maro ka isan’izany ny fiara lehibe roa izay azo lazaina ho Cabinet Medical Mobil. Telo andro ao anatin’ny iray volana izy ireo no hijanona ao an-toerana ka mazava hoazy fa mandritry ny fotoana hijanonan’izy ireo eto Vakinankaratra izay haharitra sivy volana dia ireo toerna telo ireo ihany no hiverenany isam-bolana mba ahafahana manara-maso ny fahasalaman’ireo hahazo ny fitsaboana.
Etsy andaniny ireo Vahoaka dia hisy ihany ny fandraisana anjara fa azo lazaina ho tena kely satria 400 Ar monja no aloa ary io vola io dia hijanona ho an’ny Kaominina mba hanatsarana ny lafin’ny fahasalamana ao an-toerana. Ireo tompon’andraikitra ao amin’ireo Kaominina ireo dia nidera manokana ny ezaka lehibe ataon’ny Faritra satria tsy mbola nisy ny toy izao hoy ireo Ben’ny tanàna ireo.
Ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra rahateo dia manamafy hatrany fa ny Vahoaka salama no afaka mamokatra ka tena hampandroso marina. Voaporofo ary izao fa matotra ny fiarahamiasan’ny Faritra Vakinankaratra amin’ny any ivelany.

Phillipe (Armada) Mpiara-miombon’antoka amin’ny faritra Vakinankaratra sy ny Lehiben’ny faritra

Phillipe mitafa amin’ny Mpitsabo tao Ambohitompoina
Unité de communication région Vakinankaratra (20 juin 2011)