Centre Thermal Antsirabe : Une porte ouverte organisée
20 juin 2011 Le comité de pilotage composé par la région du Vakinankaratra, la direction régionale de la santé dans la région, la commune Antsirabe organise une porte ouverte au centre thermale Antsirabe.
La journée du 29 juin 2011 sera une porte ouverte pour le Centre Thermal Antsirabe. L’objectif de cette porte ouverte est de faire connaître à la masse de population les avantages du centre.
Historique du centre :
1875 : le « Ranomafana » est découvert par le Pasteur ROSAS , un missionnaire Norvégien
1925 : Mise en place de l’infrastructure par les Français
1975 : Mise en place de la piscine
Selon le Médecin chef dudit centre, le Fils du premier Ministre RAINILAIARIVONY ainsi que la Reine RANAVALONA III ont pris des soins en ce lieu.

Le Directeur du Développement de la Région Vakinankaratra aussi président de
comité de pilotage du Centre et le Médecin Chef
CENTRE THERMALE ANDRANOMAFANA ANTSIRABE : Hisy Varavarana Misokatra
Mba ho fahampafantarana ny vahoaka rehetra ny asa fitsaboana ny aretina atao ao amin’ny Centre Thermale Andranomafana Antsirabe dia hisy ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny Alarobia 29 Jona 2011.Fantatra io nandritry ny famoriana mpanao gazety nataon’ireo Comité de Pilotage ny Alarobia 15 jona.
Raha mikasika ity toerana ity dia aretina maro no azo tsaboina ao ary tsara ny manamarika fa mpiavy maro avy amin’ny faritra maro no tonga mitsabo tena eto amin’ity Centre Thermale Antsirabe ity . Sampana iray ao anatin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ity toerana ity ka rariny loatra raha tokony hitondra ny taratasy sy ny valin’ny fizaham-pahasalamana ireo hitsabo tena.
Mba ho fikarakarana ny toerana sy hanamafisana trai-kefa ireo mpiasa dia mikatona indray mandeha isan-taona ny toerana ka maharitra iray volana izany. 55 no mpiasa ao amin’izao fotoana izao ka ny 6 amin’izy ireo dia dokotera .
Ny taona 1875 no nahitàna voalohany ity rano ity ka I Pasteur ROSAS misionera Norveziana no nahita azy io.
Ny taona 1925 no niorina ny trano misy ny filomana ka ry zareo Frantsy no nanorina azy.
Ny taona 1975 kosa no niorina ny trano misy ny dobo filomanosana.
Tsara ny manamarika fa efa nilona nadritry ny 6 herinandro tao ny zanaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony , efa nitsabo tena tao ihany koa ny Mpanjakavavy Ranavalona III.
Sokajin’olona maro no mikambana ao amin’ity Comité de Pilotage ity toin’ny avy amin’ny Faritra Vakinankaratra, ny DRSPF, ny Kaominina, Ireo ONG, Ireo mpanjifa , ary ny avy amin’ity Centre ity.

Centre Thermal Andranomafana Antsirabe
Unité de communication région Vakinankaratra (20 juin 2011)