18 Juin 2011 - Regroupement des Responsables Territoriaux de la Province d’Antananarivo dirigé par le ministre de l’Intérieur RAKOTOARISON Florent à Antsirabe samedi dernier
Antsirabe no nandray ny fampivondronana ireo tompon’andraikim-panjakana avy eny anivon’ny Distrika sy ny Faritra eto anivon’ny faritanin’Antananarivo ny sabotsy 18 jiona lasa teo tao @ Hotel des Thermes.
Nitarika izao fihaonana izao ny Minisitry ny Atitany Rakotoarison Florent niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy maro nahitana ny DIRAT, ny DGAT, ny Dir Cab, ny DAF sy ny maro hafa. Saiky tonga teo avokoa ireo lehiben’ny Distrika Rehetra ao anivon’ny ireo faritra 4 mandrafitra ny faritany Antananarivo : Analamanga, Bongolava, Itasy ary Vakinankaratra, teo ihany koa ireo Sekretera Jeneralinn’y faritra isan’isany ary ireo Tale miadidy ny lafitany avy. Ambohimpihaonana arak’izany ny tananan’Antsirabe.
Fanatsarana Ny Fitatantanan-Draharaham-Panjakana
Namafisana ny fahaiza-manaon’ireto solotenam-panjakana eny ifotony ireto. Teo ihany koa ny fifanankalazon-kevitra sy fifampizarana traikefa amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana.Nisy ny fanontaniana narahim-baliny , ary saiky ireo zoky no nanome ohatra ireo zandry eo amin’ny fitantanana ny raharaha ara-panjakana.
Nanantitrantitra ny Minisitra teto ny amin’y fijoroana mahitsy eo aminn’y fitantanana ny asam-panjakana satria tsy tokony ho voarirotry ny fironana etsy sy eroa ny tompon’andraikim-panjakana, tokony hamafisina hoy ihany izy ny « neutralité de l’Administration », tsy tokony ho matikena-maso amin’ireo mpanao Politika ny solotenam-panjakana.

Ireo olo-manan-kaja nasaina

Tonga teto avokoa ireo lehiben’ny Distrika, SG ary DAGT ao aanatin’ny faritra 4

RAKOTOARISON Florent - Ministry ny Atitany nandritran'ny kabariny

Ny Lehiben' ny Faritra nandritra ny kabariny
Vakinakaratra mbola hafa…
Na dia efa miditra ao anatin’ny hirifirin’ny Hatsiaka ary ny eto amin’ny tananan’Antsirabe dia saiky tsy nisaraka ireto tompon’andraikim-panjakana ireto, nety rahateo ny fandraisana ny fihaonana, ny faritra Vakinankaratra no niandraikitra ny fandraisana sy nanao ny rindran-damina rehetra tamin’ny andraisana ireto vahiny ireto. Fahombiazana no azo hamehezana ny fandraisana ny fampivondronana ireo tompon’andraikim-panjakana eny anivon’ny faritra sy ny Distrika ato anatin’ny faritany Antananarivo.
Unité de communication région Vakinankaratra (18 juin 2011)