22 Juin 2011 - Fetim-pirenena Vakinankaratra : 146 nahazo mari-boninahitra
Olona nahavita be teto amin’ny firenena miisa 146 no notolorana mari-boninahitra tao amin’ny faritra Vakinakaratra ny andron’ny 22 jiona 2011. Tonga nanome izany mari-boninahitra izany ny Lehiben’ny Harifenitra eto amin'ny Nosy Atoa RALITERA Etienne. Izy 146 mianadahy ireo dia voasokajy toy izao Avy :
2 no notolorana ny Grand croix de 2ème Classe
10 : Grand Officier de l’Ordre National
27: Commandeur de l’Ordre National
37 : Officier de l’Ordre National
60 : Chevalier de l’Ordre National
Teo aminn’y laharan’ny Ordre de Mérite dia :
2 Notolorana ny Commandeur de l’Ordre de Mérite
6 : Chevalier de l’Ordre de Mérite
Ary 2 kosa nosalorana ny medaly volafotsy sy Alimo.
Naharitra teo amin’ny ora roa teo ny fizarana ireo Mari-boninahitra ireo. Nanatrika izao lanonana fanolorana mari-boninahitra izao ireo manam-pahefana isan-tokony avy eto amin'ny Faritra Vakinankaratra notarihan’ny lehiben’ny faritra Vakinkaratra RAZANAKOLONA Paul Andriamasitera .

Ny Grand Chancelier manolotra mari-boninahitra

Ireo mari-boninahitra

Ny lehiben’ny Faritra
Unité de communication région Vakinankaratra (20 juin 2011)