25 juin 2011 : olona 1200 nahazo fanampiana

Fianakaviana tra-pahasahiranana 600, ary ankizy 600 isa avy eto Antsirabe no notoloran’ny faritra Vakinankaratra sy ny avy ao @ foibem-paritry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ny nofon-kena mitam-pihavanana sy vary fotsy ary kilalao ny andron’ny sabotsy 25 Jiona teo. Izany no natao dia ny mba hifampizarana amin’ireo malagasy rehetra ny Asaramanitra 2011. Tsy natokana ho an’ny antoko atsy na eroa ny fetim-pirenena hoy ny lehiben’ny faritra teto fa an’ny Malagasy rehetra ary raha nipetraka ny lohahevitra fitiava-tanindrazana sy ny fampandrosoana tamin’izao Asaramanitra 2011 izao dia isika olom-pirenena ankehitriny no tokony aneho izany fifankatiavana izany na eo amin’ny samy olona izany na eo @ fitiava-tanindrazana mba hampandrosoana ity firenentsika ity, izany dia miainga eny ifotony ka mipaka hatrany @ firenena iraimanontolo.

Hita taratra teny amin’ireo nahazo fanomezana ny hafaliana ahafahan’izy ireo mba mifety miaraka @ Malagasy rehetra taminizao Asaramanitra izao.

Ny faritra Vakinankaratra dia namono omby roa tamin’ity fetim-pirenena ity ary ireo hena no nifampizarana tamin’nireo sahirana.


 

 

 

 

 

Unité de communication région Vakinankaratra (25 juin 2011)

 
ACCUEIL

 Tous droits réservés. Aucune partie de la présente publication ne peut être produite, mise en mémoire ou transmise sous aucune forme ni par aucun moyen,
électronique ou mécanique, par photocopie, enregistrement, ou de toute autre façon, sans l’autorisation préalable de la Région Vakinankaratra         
 WebDesigner et Maquette : RASOLOFOSON Fidy Manantsoa.- Septembre 2005 /Renouv : Juillet 2008 / Refonte : Septembre 2009 par
RASOLOFOSON Fidy Manantsoa
 Conception Page web et Webmaster : RASOLOFOSON Fidy Manantsoa - inforozy@yahoo.fr