26 jiona 2011 : Asaramanitra Niavaka
« Fitiava-tanindrazana sy fampandrosoana » tafita ny lohahevitra raha ny fanamarihana ny fetim-pirenenena no ambara, saiky hita teto amin’ny lanonanam-panjakana avokoa ireo hery velona rehetra eto Antsirabe sy ny manodidina. Toy ny mahazatra dia niatomboka tamin’ny fisafoana ny andian-tafika sy ireo sivily mpandray anjara amin’ny matso ary ireo vahoaka maro be nanatrika ny fotoana, nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo tompon’andraikitra isan-tokony izay nofaranan’ny lehiben’ny Faritra. Avy eo nanomboka ny matso , toy ny mahazatra dia ny avy ao @ tafi-bahoaka , ny zandary ary ny pôlisy no misantatra azy, narahin’ireo sivily. Niavaka ny fandraisan’anjaran’ny Sivily maro be tamin’ity indray mitoraka ity, raha ny ao anivon’nny foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena dia saiky nandray anjara avokoa ny ambaratonga rehetra na miankina izany na tsia. Ny fampianarana Teknika ihany koa dia voasolo tena teto avokoa ireo ivotoeram-pihofanana miankina sy tsy miankina @ fanjakana, ireo orinasa isan-tsokajiny eto Antsirabe ary ireo Koperativa vaovao eto antoerana. Naharitra teo @ ora 2 mahery teo ny filaharana. Taorian’ny lanonana teo @ Tsangambato dia nisy ny nofon-kenamitam-pihavanana avy @ lehiben’ny faritra mivady nifampizarana teo @ lapan’ny faritra Vakinankaratra.
Unité de communication région Vakinankaratra (25 juin 2011)