23 Septembre 2011: Distrikan’i Betafo, fokontany Antsoso - Fitokanana telo sosona
Fitokanana ny efitranon-tsekoly fanampiny misy efitra 2 ao amin’ny CEG, trano fonenan’ny Dokotera, toha-drano no notontosaina ny zoma 23 septambra 2011 lasa teo, tao amin’ny kaominina Antsoso Betafo . efitranon-tsekoly izay vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny ray aman-dreny sy ny kaominina ary ny Faritra Vakinankaratra. Ny Ministeran’ny Fahasalamana kosa no angady nananana ny trano honenan’ny dokotera ao amin’ny CSB II Antsoso . 70 tapitrisa ariary no nenti-nanana ny tohadrano ao Tsitiavosotra ka 4 tapitrisa ariary anjaran’ny mpahazo tombotsoa.Ny tetik’asa FID no namatsy vola.
Mahatondraka velaran-tany maherin’ny 80 Ha ny tohadrano ary misy fitarihin-drano 4Km. kaominina Antsoso izay afaka mifaninana tsara amin’ireo tena mpamokatra vary an-tanety, ahitana fokontany 5 ao anatin’ny velaran-tany 350km2.
Hetahetan’ny mpitondra sy ny vahoaka ao an-toerana ny tsena ankoatra ny lalana iaraha-mahita. Tonga nitokana ireo zava-bita ireo ny Tale kabinetran’ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram_pahefana , ny Tale jeneralin’ny FID. Notsidihin’ny Lehiben’ny faritra nandritra ny fandraisam_pitenenana nataony fa vonona hatrany ny Faritra hanampy ireo miasa ka hanolotra simenitra 20 lasaka hanaovana ireo tetik’asa madinika isam_pokontany, machine à écrire ho an’ny kaominina ary baolina iray isaky ny fokontany. Nanotrona ny lanonana izay nafanan’ny tarika Mamy Bastah ireo Ben’ny tanàna rehetra ao amin’ny Distrikan’I Betafo izay samy nahazo famatsian’ny FDL (Fond de Développement Local) avokoa.
.



Unité de communication région Vakinankaratra ( 8 octobre 2011)