07 DECEMBRE 2011: FANAMBARANA ATAON’NY FIKAMBANAN’NY BEN’NY TANANA FARITRA VAKINANKARATRA

Izahay Ben’ny Tanàna avy amin’ireo Commune rehetra eto amin’ny Faritra Vakinankaratra izay nanao fivoriam-be teto Antsirabe dia manao izao fanambrana manaraka izao :

Ho tapitra amin’ity volana Desambra 2011 ity ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny Tanàna sy Filankevitry ny tanàna izay hany sisa olom-boafidy eto amin’ny firenena, miarahaba ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka malagasy noho ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny TONDROZOTRA :
- Fametrahana ny Piraiminisitrin’ny marimaritra iraisana
-Governemanta ny firaisam-pirenena
-Ireo rafitra Parlemanteran’ny tetezamita

Koa ho fanohizana izany fanatanterahana ny tondrozotra sy mba hisian’ny fitohizan’ny fikatsahana ny fitoniam-bahoaka na « apaisement » dia heverinay Ben’ny tanàn’ny Vakinankaratra fa :
-Tsara ny fanohizan’ireo Ben’ny tanàna sy ny filan-kevitra rehentra amperin’asa ny asany mandra-pisy ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna manaraka eo ka eo amin’ny fotoana hanombohan’ny fampielezan-kevitra vao tokony hisy ny fanaovana fiatoana vonjimaika na « disponibilité », sy ho fanohizana ireo asa fampandrosoana efa imatimatesan’ireo Ben’ny tanàna amperin’asa sy n y vahoaka.

Vonona izahay hiara-hifanome tànana amin’ny fampahombiazan’ny Tetezamita sy ny fanatanterahana ny TONDROZOTRA ary marihanay fa tsy voasoratra ao anatin’izany TONDROZOTRA izany ny momban’ny Ben’ny tanàna sy n y Filan-kevitra.

Anio 07 Desambra 2011

                                                                                                  Manao sonia ireo Ben’ny tanàna Vakinankaratra

 

Unité de communication région Vakinankaratra ( 09 decembre 2011)

 
ACCUEIL

 Tous droits réservés. Aucune partie de la présente publication ne peut être produite, mise en mémoire ou transmise sous aucune forme ni par aucun moyen,
électronique ou mécanique, par photocopie, enregistrement, ou de toute autre façon, sans l’autorisation préalable de la Région Vakinankaratra         
 WebDesigner et Maquette : RASOLOFOSON Fidy Manantsoa.- Septembre 2005 /Renouv : Juillet 2008 / Refonte : Septembre 2009 par
RASOLOFOSON Fidy Manantsoa
 Conception Page web et Webmaster : RASOLOFOSON Fidy Manantsoa - inforozy@yahoo.fr