KABARIN'ANDRIAMATOA LEHIBEN'NY FARITRA - RAZANAKOLONA PAUL NY SABOTSY 28 JANOARY 2012 TAMIN'NY FIFAMPIARAHABANA NOHON'NY TAONA VAOVAO
Tompokolahy sy tompokovavy ;
Nambin’andriamanitra isika mianakavy ka tratr’izao tonon-taonan’ny asaramanitra izao. Maro tokoa ireo naniry iaina hatramin’ny farany izany taona 2011 izany ka ho tratry ny taona vaovao, kanefa isika izao no nomban’ny fahasoavan’ilay Ray tsy toha sy ny famindram-pony ka tafahaona soa aman-tsara eto.
Koa hafaliana ho ahy tokoa amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ahy eto amin’ity Faritra Vakinankaratra ity, no maneho etoana ny firarian-tsoa sy fiarahabana ho antsika vahoaka rehetra monina ato anatin’ny faritra noho ny fahatratrarantsika izao asaramanitra izao.
Arahabaiko ianareo solon-tenan’ny vahoaka rehetra eto Vakinankaratra tonga manatrika izao lanonana manana ny maha izy azy izao, vita soa iny taona 2011 iny ary tratry ny taom-baovao 2012.
Enga anie ho taom-pahombiazana tanteraka ho antsika ity taom-baovao ity ; hitondra filaminana sy fiadanana hoan’ny firenentsika izy ka hanana ny anjara masoandrony avokoa ny isam-baravarana.
Omen’Andriamanitra ny fahasalamana isika rehetra mba ahafahantsika miatrika ireo adidy masina manandrify antsika avy.
Kihon-dalana vaovao eo amin’ny fiainan’ny firenentsika tokoa mantsy ity taona 2012 ity satria iandrandrantsika mianakavy ny fifaranan’ny krizy politika lavareny, amin’ny alalan’ny fametrahantsika ny rafitry ny Repoblika faha efatra amin’ny fanaovana fifidianana malalaka, mangarahara ary eken’ny be sy ny maro, rafitra heverina hitondra fampandrosoana mirindra ho an’ny Madagasikara iray manontolo.
Maro tokoa ireo zava-bita tamin’iny taona lasa iny araka ny tatitra nataon’ny sekretera jeneralin’ny Faritra teo. Tsy anora-tena toa voatango isika na hidera tena toa papelika raha manambara izany fa ny vavolom-belon’ny mpiasa tokoa ny bainga voavadika. Tsy asanay samy irery anefa ireny fa ny fiarahantsika mientana sy nisalahy no nahatratrarana ireo tanjona napetraka ireo.
Tsapako tamin’ireny fitsidihana nataoko tamin’ireny kaominina maro ireny fa tena manana firaisan-kina isika eto Vakinankaratra ; Koa isaorako anareo vahoaka tokoa izany satria antoka iray lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny tanindrazantsika
Tamin’ireny fotoana ireny koa no nahitana ny fandraisanareo tompon’andraiki-panjakana rehetra andraikitra, dia lehiben’ny fokontany, ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny boribrin-tany, ianareo tale sy lehiben’ny sampandraham-panjakana rehetra ary indrindra ianareo lehiben’ny Distrika. Hita ny fikelezan’aina nataonareo hanefa antsakany sy andavany ny adidinareo ho an’ny mpiara-belona.
Azo tsapain-tanana koa ny ezaka nataonareo sehatra tsy miankina satria na dia teo aza ny krizy iainan’ny firenena dia tsy niraviravy Tanana ianareo fa nanao ny ezaka rehetra anentanana sy anetsehana ny fiharian-karena teto Vakinankaratra ka nanamaivana ny fiatraikan’ny krizy teo amin’ny sosialimbahoaka.
Koa eto ary amin’ny maha solontenampanjakana eto Vakinankaratra ny tenako, no hanolorako ny fisaorana sy fankatelemanana ho anareo rehetra amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo.
Mbola maro anefa no tsy vita koa tsy hikely soroka isika hanohy ny ezaka efa natomboka ary ny fitsangan’ny repoblika fahefatra ao anatin’ny fenitra demokratika marina no tanjona.
Koa ho isan’ny laharam-pahamehana amin’ity taona ity ary ny fikarakarana ireo fifidianana isan-karazany araka ny voafaritra ao anatin’ny politika ankapoben’ny governemanta.
Manome toky izahay eto min’ny Faritra fa ho fifidianana hitarafana ny safidim-bahoaka marina no hataontsika ; Hanao tantsoroka sy hanohana ny ratsamangaikan’ny vaomierampirenena mahaleontena momba ny fifidianana araka izay azonay atao izahay eto amin’ny Faritra, kanefa tsy maintsy atao vaindohan-draharaha sy ho tandremana tahaka ny anakandriamaso ny fahaleovan-tenan’izany vaomiera izany.
Koa dieny izao dia efa manao antso avo ny tenako mba hifanome tanana isika hanantontosana izany fifidianana izany ; Manentana ny olom-pirenena tsirairay koa ny tenako mba hampiasa ny zony sy hanefa ny adidiny eo amin’izany fifidianana izany.
Akoatr’izay dia mbola hotohizantsika ny ezaka nataontsika eo amin’ireo sehatr’asa isan-karazany toy ny fandriampahalemana, ny fahasalamam-bahoaka, ny fanabeazana ary ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Ny fanadratana ny kolon-tsaina, ny zava-kanto ary ny fanatanjahan-tena dia antoka handrefesana ny maha izy azy ny faritra ka ampitomboana ny ezaka amin’izany amin’ity taona 2012 ity.
Mba ahafahana manatsara ny asa fandrindrana ny fampandrosoana eto anivon’ny Faritra ka handraisan’ireo mpiantsehatra anjara dia hofaritantsika rehetra miaraka ireo asa atao laharampahamehana eto anivon’ny Faritra ka hanomana atrik’asa lehibe iray isika hakana ny hevitrareo amin’izany.
Ry vahoakan’ny Vakinankaratra, ry mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, alao hery àry fa izahay eto amin’ny Faritra dia vonona tanteraka hitarika antsika hiroso mankany amin’ny tsaratsara kokoa mba hiantohana fampandrosoana tena marina ho an’ny tanindrazantsika iombonana.
Asehoy ny firaisan-kina ka hiara-hientana isika hamongotra ny fahatrana, indrindra amin’izao fotoantsarotra diavin’ny firenentsika izao.
Aleveno impito mandifitr’olona ny adilahy politika, andeha hohadinoina ny tsy fitovian-kevitra mampizarazara ny vahoaka fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena no ho banjinintsika.
Tokony hanetsika ny ambom-po isika ka samy hanao izay tratra hanasoavana ny ankohonana ka hampisy fanantenana ho an’ny isan-tokan-trano.
Matoky anareo aho ary manome toky anareo koa fa tena hanao izay tratrako amin’ny fampandrosoana ity Faritra ity.
Izay no ela tompokolahy sy tompokovavy, fa mbola mamerina ny fisaorana sy fankatelemana anareo rehetra izay nanohina ny fanasan’ny Faritra izahay; nantsihina tsy nahafola-tanana ianareo, ary natsoina tsy nahafari-peo; enin-kaja sy eni-boninahitra ny Faritra satria tonga daholo ianareo rehetra.Ho tratry ny taona mitsingeringerina anie isika rehetra
Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy





KABARIN'ANDRIAMATOA SEKRETERA JENERALIN'NY FARITRA NY SABOTSY 28 JANOARY 2012 TAMIN'NY FIFAMPIARAHABANA NOHON'NY TAONA VAOVAO
Tompokolahy sy tompokovavy ;
Ny voalohan-teny dia manantitra ny fisaorana an’Andriamanitra ny tenako noho ny nanomezany antsika izao andro mazava izao ka ahafahana mifampiarahaba tratry ny asaramanitra. Koa dera sy laza anie ho an’Ilay Avo indrindra.
Ny entan-jaraina hono tompoko, mora zaka ary ny adidy tsy an’olon-dratsy, koa raisiko ho adidy androany ny mitondra eto anatrehanareo vahiny manan-kaja manome hasina izao lanonana manana ny maha-izy azy izao, ireo ezaka natao teto anivon’ny Faritra, nandritra iny taona 2011 iny.
Kanefa hono tompoko, na maika aza, ny ravintoto tsy fitetika, tsy hanao donan-kafon’Analakely ny tenako ka tonga dia any ambovonana. Tsy hisalovana ny anjaran’ny hafa toy ny bingo manao matso koa angamba ny tenako na dia ny hitondra ny tatitry ny zava-bita aza no anjara andraikitra nomena ahy, raha toa ka hitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho anareo rehetra amin’ny anaran’ny mpiasam-panjakana manerana ny Faritra Vakinankaratra noho ny fahatratrarana ny taona vaovao 2012, satria izany rahateo no fototry ny lanonantsika androany.
Koa mitodika aminao manokana izahay Andriamatoa Lehiben’ny Faritra, miarahaba anao sy ny ankohonanao tratry ny taona vaovao 2012, hitondra soa sy ny tsara ho anao anie ity taom-baovao ity ka tsy ho solafaka omen-tehina ianao na ho potraka omen-kiraro. Hikapa ahita ny tonony, handidy ahita ny vaniny amin’ny fitantanana ity Faritra ity. Ho maro tia anie ianao Andriamatoa Lehiben’ny Faritra ary ho vitsy fahavalo. Hambinin’Andriamanitra amin’izay atao ka omeny hatrany ny saina matsilo sy ny fo madio mba hikatsahana ny hiadanan’ny ambany lanitra.
Izahay mpiara-miasa aminao sy ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra dia manome toky fa hanampy sy hanohana anao amin’ny ezaka fampandrosoana ataonao eto anivon’ny Faritra. Izahay mpiasam-panjakana tokoa mantsy dia tahaka ilay lehilahy be lamosina, ka tsy mifidy zaza ho babena. Vonona lalandava hitondra ny anjarabirikinay, araka ny fahaiza-manao sy ny traik’efa anananay, ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny governemanta ao anatin’ny fanajana ny tsy fiandaniana (neutralité), ny fahaiza-mitantana (bonne gouvernance) ary ny mangarahara (transparence), antoka lehibe hitantanana ny raharaham-panjakana ho any amin’ny fahombiazana tanteraka mandritra izao tetezamita izao.
Raha iny taona 2011 iny no asian-teny, dia milaza miara-mahita ny tenako raha hanambara fa nanao ny ainy tsy ho zavatra ny teto amin’ny Faritra mba hanatratrarana ireo tanjona nofaritana tao amin’ny tondrozotra lehibe ho an’ny fampandrosoana an’I Vakinankaratra (Grandes Orientations du Développement de Vakinankaratra) izay naompana tamin’ireto sehatra efatra ireto :
1- Ny fitantanana ifotony sy ny Fanjakana tsara tantana
2- Ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra
3- Ny fizahan-tany sy ny kolon-tsaina
4- Ny fampiroboroboana ny sosialim-bahoaka
Raha teo amin’ny fitantanana ifotony sy ny fanjakana tsara tantana no atao jery todika dia anisan’ny nanaovana ezaka lehibe ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ka nanombohana nanambarana ny dinam-paritra ny 15 Jona 2011. Tsy vitan’ny fifampifehezana eo anivon’ny fiaraha-monina io dinam-paritra io fa natao indrindra koa hanentanana ny firaisankinan’ny mponina handray andraikitra ho fampivoarana ny soa iombonana.
Ny fanohanana ny mpitandro filaminana izay tsy mikely soroka amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny filaminam-bahoaka dia nahitana vokany teo amin’ny fampihenana ny asa ratsy sy fandikan-dalàna isan-karazany, voafehy tanteraka ny fanafihana amin’ny lalam-pirenena mamakivaky ny Faritra Vakinankaratra noho ny paik’ady mahomby napetraka. Ny Faritra manokana dia nanome moto tsy mataho-dalana 06 ho an’ireo mpitandro ny filaminana.
Ny fanantonana ny vahoaka ka nampiharana ny fanjakana manakaiky ny vahoaka dia nahafahana nijery ifotony ireo Kaominina 86 mandrafitra ny Faritra ka nitondrana fanentanana ho an’ny vahoaka sy fanohanana ireo Ben’ny Tanàna amin’ireo tetik’asa tena ilain’ny mponina ka nahatratra 133 fitsidihana no efan’ny Faritra tamin’iny taon-dasa iny.
Na dia teo aza ny krizy niainan’ny firenena dia tsapa ny ezaka vita teo amin’ny fampidiran-ketra amin’ny ankapobeny. Ny fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena dia nahitana fahombiazana koa. Raha tsy hiteny afa-tsy ny hetra tambatra izay anjaran’ny vondrom-paritra ny tenako dia nahatratra 106,22% amin’ny tanjona tokony ho tratrarina no vitan’ny sampan-draharahan’ny hetra teto Vakinankaratra. Teo amin’ny tamberim-bidy sy ireo haba hafa dia nisy fitomboana 7% raha mihoatra ny tamin’ny taon-dasa.
Mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Ben’ny Tanàna sy ireo mpitam-bolan’ny Kaominina dia mbola notohizana ny fanofanana azy ireo momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny sy ny tsenam-panjakana. Antoka iray ahazoan’izy ireo fanohanana avy amin’ny FDL mantsy ny fahavitan’izany fiofanana izany. 100% ankehitriny ireo mpitam-bolan’ny Kaominina no nahazo fanamarinam-pahaizana.
Ambonin’izany dia nanome fanampiana ny fanjakana foibe mba hanavaozana ny biraon’ny Kaominina ambanivohitra Betafo sy Ambatolampy, hanorenana ny biraon’ny Kaominina Mandrosohasina raha efa vita tanteraka kosa ny an’I Soanindrariny, Manapa ary Ambatomiady.
Tsy nijanona fotsiny teo amin’ny sehatry ny fanamafisana ny fitantanana ny ezaka natao fa betsaka koa ny asa fampandrosoana vita tamin’ny taona 2011.
Eo amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra dia nahavelom-bolo ny vokatra satria tratra ankehitriny ny fahaleovan-tena ara-bary eto amin’ny Faritra misy antsika satria nahatratra 485.960 tonnes ny vary vokatra. Tsy kisendrasendra akory izany vokatra izany fa teo dia teo ny finiavan’ny mpamokatra hiasa sy ny fanohanan’ny sampan-draharaham-panjakana ka nahafahana nanatsara sy nametraka foto-drafitr’asa isan-karazany tena ilaina amin’ny famokarana. Ny fanitarana sy fanombohana ireo tetik’asa manohana ny tantsaha toy ny PAPRIZ sy ny FRDA; ary indrindra ny fanentanana ny tantsaha hampiasa ireo teknika moderna takian’ny toetr’andro.
Ny Faritra Vakinankaratra koa dia isan’ny voafidin’ny fanjakana foibe hametrahana ny tetik’asa OVOP (One Village, One Product), miaraka amin’ny fanjakana japonais ka ny ovy, ny ronono, ny paoma ary ny huiles essentielles no tohanana amin’izany.
Teo amin’ny sehatry ny fiompiana dia nisongadina ny fanaovantsika ny foaran’ny fiompiana andiany voalohany teto Antsirabe. Manana ny hoaviny io sehatr’asa io eto amintsika satria nahitam-pahombiazana izany hetsika izany.
Isan’ny olana goavana misakana amin’ny famoaham-bokatra ny faharatsian’ny lalana. Tsy niraviravy tanana isika fa niezaka nanao fikojakojana ny lalana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Miisa 9 ireo Kaominina novatsian’ny FER vola ka lalana 106,5 km no voakojakoja. 25 kosa ny Kaominina nahazo AMR (izany hoe asa-tana-maro) ka lalana mirefy 159,5 km no namboarina. 223 km kosa ny lalam-pirenena voakojakoja teto amintsika.
Isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Faritra ihany koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka ka isan’izany ny famporisihina ireo zanaka malagasy hilofo amin’ny fianarana. Tsara ny voka-panadinana tamin’iny taona iny. Nanao ezaka manokana koa ny Faritra tamin’ny fanaovana efitrano sekoly vaovao ka nahazo tombony tamin’izany ny CEG Soamalaza sy Belazao ; ankoatr’izany dia efitrano miisa 17 miparitaka amin’ny Kaominina maro no nohavaozina ary nentina nanao fitsidihana tany Morondava ireo sangany tamin’ny fanadinam-panjakana teo amin’ny CEPE sy BEPC.
Ny fanjakana foibe koa dia nanohana antsika teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ka vita soa amantsara ny efitrano valo ho an’ny lycée Ambohimandroso novatsian’ny BADEA vola ; Trano dimy misy efitrano roa avy no namboarina avy amin’ny PIP eo anivon’ny DREN ka ny lycées Mandaniresaka, Andranomanelatra ary Faratsiho no nahazo tombony tamin’izany.
Teo amin’ny fahasalamam-bahoaka dia naompana tanteraka tamin’ny fanamafisana ny sampan-draharahan’ny fahasalamana ny ezaka ka tafapetraka soa aman-tsara tamin’iny taona iny ny sampan-draharahan’ny fahasalamana ho an’ny Distrikan’ny Mandoto ka nampombana fitaovana toy ny fiara tsy mataho-dalana sy fitaovana informatika ary panneau solaire izany.
Teo ihany koa ny fanavaozana tobim-pahasalamana sy toeram-ponenan’ny mpitsabo teny amin’ireny tobim-pitsaboana fototra eny anivon’ny Kaominina ireny ka Kaominina efatra no voakasika.
Ny fanohanana ireo vahoaka marefo dia natao ho vaindohan-draharaha teto anivon’ny Faritra ka nikatsahana hevitra tamin’ny fivarotana ny vary mora avy amin’ny fitondrana foibe ka nahatratra vary 540 tonnes no namidy tamin’ny vidiny 900 ariary ary Distrika efatra no nahazo tombontsoa. Ankoatr’izany ny fanomezan-kasina azy ireny amin’ny tonon-taona ka nanolorana vary sy laoka ho nofon-kena mitampihavanana ho azy ireo indrindra ny fetim-pirenena sy ny faran’ny taona. Ny zanaky ny sahirana koa dia nomena kilalao avy amin’ny Ministeran’ny mponina. Izany no natao dia mba hanamaivanana ny fiatraikan’ny krizy amin’ireny olona marefo ireny.
Ny fanomezana rano madio ho an’ny vahoaka dia ezaka mitohy ho antsika eto Madagasikara. Ho antsika eto Vakinankaratra dia nahatratra 42.732 ny mponina nahazo rano fisotro madio tamin’iny taona lasa iny ka paompin-drano 26 misy bornes fontaines 168 no vita, miampy lava-drano misy pompe 03.
Teo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena dia isan’ny resy lahatra ny Faritra fa manana mpanao fanatanjahan-tena avo lenta isika satria saika amin’ny sehatra rehetra dia nahazoantsika vokatra tsara avokoa eo amin’ny tompon-dakan’I Madagasikara, isan’izany ny lomano, karate,… fa asongadina manokana ny maha-tompon-daka antsika eto anivon’ny ranomasim-be Indiana sy eto Afrika amin’ny athlétisme, ary tompon-daka eran-tany amin’ny petanque.
Ny Faritra dia miezaka manohana ny fanatanjahantena ary efa hita ny vokatr’izany fanohanana izany ankehitriny na eo amin’ny fampitaovana izany na ny fanamboarana foto-drafitr’asa.
Ny sehatra fahefatra farany natao ho laharam-pahamehana teto amin’ny Faritra dia ny fizahan-tany sy ny kolon-tsaina. Sehatra roa lehibe manomboka misongadina sady anankinana ny toe-karen’ny Faritra ankoatra ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famokarana indostrialy.
Efa manomboka miroborobo tokoa ny fizahan-tany eto amintsika satria nahatratra teo amin’ny 19.924 ireo mpizahan-tany tonga teto amintsika. Aompana bebe kokoa amin’ny fizahan-tany ifotony (tourisme villageois) ny ezaka nataontsika tamin’ny fametrahana ireo gîtes villageoises ao Ambohiborona, Tsinjoarivo, Ambohidranandriana ary Ihasy miaraka amin’ny Région Auvergne.
Tompokolahy sy Tompokovavy, izay no tatitry ny asa vita nandritra iny taona nivalona iny. Santionany ireo fa betsaka ny antsipiriany izay tsy voalaza. Izany no midika fa mandeha ny raharaham-panjakana eto Vakinankaratra ary miasa hatrany isika amin’ny fampandrosoana.
Koa eto am-pamaranana dia mbola mirary soa ho antsika rehetra amin’ity taona vaovao ity.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.




Unité de communication région Vakinankaratra ( 01 fevrier 2012)